- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZava-mahadomelina mahery vaika : Fahafahana vonjy maika sy sazy miantona ny didy nivoaka…

Zava-mahadomelina mahery vaika : Fahafahana vonjy maika sy sazy miantona ny didy nivoaka…

Natao ny herinandro maromaro nivalona iny ny fitsarana ilay raharaha fisamborana ireo mpanao ilay rongony mahery vaika, fantatra amin’ny anarana hoe « crystal ». ny herinandro teo no nivoaka ny didim-pitsarana, ka olana 06 no voasaringotra niakatra fitsarana ireo. Araka ny fantatra dia olona roa nahazo fahafahana vonjy maika, ka olona efatra kosa nahazo sazy mihantona enim-bolana. Raha hiverenana ny raharaha dia ny 07 desambra ny taona nivalona iny no voasambotry ny polisy tao amina hotely iray teto Toamasina ireo olona ireo niakatra fitsarana ireo. Fantatra nandritra ny didy nivoaka dia tovolahy iray mpandraharaha avy ao Sainte – Marie sy Ramatoa vadiny nohafahan’ny fitsarana vonjy maika nandritra ny fitsarana. Raha ny fanazavana dia mpandraharaa manana ny lanjany ao Sainte – Marie ity nohafahana ny fitsarana ity, saingy noho ny fialonana azy dia nosokotaina ny tenany. Namonjy mariazy no anton-dian’izy ireo teto Toamasina ary nipetraka tamin’ity hotel ity, ka voasaringotra tao anatin’ilay raharaha fisamborana olona nanao zava-mahadomelina. Araka ny fanazavan’ilay tompona hotel ihany koa dia nitovy tamin’ilay tenin’ilay mpandraharaha avy ao Sainte – Marie ; satria vao telo andro no nahatongavan’izy ireo tato aminay, hoy hatrany ny tompon’ny hotel. Ankoatra izay dia nohazavainy koa fa efa ela no nahatongavan’ireo tovovavy voasaringotra tamin’ity raharaha ity, ary mbola anananay vola hofana hotel aman’hetsiny aza ireto tovovavy ireo. Miverina amin’ny maha-mpandraharaha azy any Sainte – Marie ilay rangahy nahazo fahafahana vonjy maika, ary tsy hiova ny fandraisany sy fifandraisainy aman’olona amin’izay asany izay.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici