- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversZava-mahadomelina: Mpifoka sy mpivarotra rongony 15 nampidirina am-ponja

Zava-mahadomelina: Mpifoka sy mpivarotra rongony 15 nampidirina am-ponja

Olona 15 no indray naiditra am-ponja eny Antanimora noho ny fidorohana sy fivarotana rongony rehefa avy natolotra ny Fitsarana, omaly 28 jolay. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy avy ao amin’ny sampana misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy teny amin’ny faritra mafampana toa an’Anosibe, Antohomadinika IVO, sy Manarintsoa, ny alakamisy 27 jolay no nisamborana azy ireo. Ny efa-dahy voasambotra teo am-pifohana rongony teo amin’ny “canal Andriantany” teo amin’ny toerana atao hoe vorondamba. Ny 11 lahy kosa dia teny Antohomadinika IVO ka ny iray amin’izy ireo dia mpivarotra rongony ka mbola nahatratrarana rongony 850 fonosana. Ny ambiny kosa dia mpividy sy mpifoka daholo. Tamin’ny fanadihadiana dia niaiky ny helony izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa avy any Atsimo ireo rongony amidy ireo ka 300 hatramin’ny 500 Ariary ny fonosana iray, ary alaina 100.000 ny iray sachet lehibe.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici