- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversZava mahadomelina : Roa lahy tratra nivarotra rongony

Zava mahadomelina : Roa lahy tratra nivarotra rongony

Nahazo vaovao ny polisy misahana ny ady atao amin’ny fianahan’ny zava-mahadomelina fa misy olona mivarotra rongony any amin’ny toerana roa samy hafa. Raha vao naharay ny vaovao ny mpitandro filaminana dia nidina teny an-toerana. Ny faha-29 janoary tamin’ny 11 ora, nandeha teny Manakambahiny Ambatomaro ireo polisy. Nivantana tao amina trano iray ary dia sarona teo am-pivarotana rongony ny lehilahy iray antsoina hoe R. Martin, 48 taona. Natao ny fisavana ka tamin’izany dia mbola nahitana fonosana miisa 73 efa vonona hamidy. Rehefa nohadihadiana ity lehilahy ity dia nilaza fa vao haingana ihany izy no nivarotra ity zava-mahadomelina ity. Vidiany 300 ariary ary 500 ariary no ivarotany ny fonosana iray. Eny Antohomadinika no fividianany ireo rongony ireo. Ny olona faharoa voasambotra dia izany R. Julien izany, na antsoina koa hoe Bosco, 51 taona. Teny Manjakaray no nisamborana azy tao an-tranony. Teo am-pivarotana rongony no tra-tehaka ny anao lahy. Natao ny fisavana ka tamin’izany koa no nahitana fonosana 41. Efa taona maro no nanao ity asa ratsy ity i Bosco, araka ny filazany. 15 000 arairy no ividianany ny rongony iray sachet izay ahavitana fonosana  miisa 30. Nolazainy fa izany Rado izany no manatitra ao aminy ny “entana”.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto olona ireto.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser