- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversZavamahadomelona : Tratra ny telolahy mpivarotra rongony

Zavamahadomelona : Tratra ny telolahy mpivarotra rongony

Lehilahy telo indray no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy, omaly 09 oktobra 2014, tamin’ny toerana roa samihafa. Ny voalohany dia teny Tsiadana. Lehilahy iray antsoina hoe R. Jean Gilbert, 37 taona, tratra teo am-pivarotana rongony tao an-tranony tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana rongony 74 fonosana sy rarany 100g. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia niaiky izy fa azy ireo entana ireo ary vehivavy iray eny Ambohimanarina no mpamatsy azy. 10.000 Ariary no ividianany ny iray sachet ka amidiny 1000 Ariary ny fonosana iray. Tamin’ny fanadihadiana azy ihany koa dia nilaza izy fa efa tapa-bolana no nivarotany izany. Ny faharoa sy fahatelo dia teny Antanetibe Itaosy, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Sady mivarotra no mifoka rongony ry zalahy ireto. Tratra tany amin’izy ireo ny rongony 9 fonosana. Tamin’ny fanadihadiana ny iray no nilazany fa an’ilay iray antsoina hoe Olivier ireo rongony ireo, fa mpivarotra fotsiny ihany izy. Niaiky rahateo koa ny ankilany fa azy ireo rongony, ary izany Tafita izany no mpamatsy azy ireo. 1000 Ariary no ivarotan’izy ireo ny fonosana iray.

Hatolotra ny Fampanoavana anio 10 oktobra 2014 izy rehetra ireo.

r.s

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser