- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversZaza 09 taona voaolana tao Vavatenina : Noafahan’ny fitsarana ilay raikely mpampianatra...

Zaza 09 taona voaolana tao Vavatenina : Noafahan’ny fitsarana ilay raikely mpampianatra nahavanon-doza

Na dia politikam-pitsarana napetraky ny minisitry ny fitsarana ankehitriny aza ny tsy fandeferana amin’ny raharaham-pitsarana momba ny fakana an-keriny sy ny fanaovana zinona ny harem-pirenena ary indrindra ny fanolanana zaza tsy ampy taona, dia hafa ny zava-nitranga tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Fenerivo atsinanana ny zoma teo. Noafahan’ny fitsarana alohan’ny fitsarana ny raharaha, nefa heloka be vava ny fanolanana zaza latsaky ny 15 taona ity raim-pianakaviana izay sady mpampianatra ihany koa, sahy nalonana efa im-08 ny zana-badiny mipetraka amin’izy ireo vao 09 taona.

Mety hiteraka olana ara-piaraha-monina sy sakoroka ao Vavatenina anefa izao raharaha izao, satria manahy ny hanitaran’ny sain-dratsin’ity raim-pianakaviana ity, antsoina hoe Ratiarisonina Nirina na Eddy izay 43 taona, amin’ireo mpianany izao fanolanany ny zana-badiny tsy ampy taona izao, ka maro ireo ray aman-dreniny no tezitra amin’ny fitsarana ao Fenerivo atsinanana tamin’ny didy savaran’ando noraisiny sy eo anivon’ny mpitandro filaminana ao Vavatenina nanamoramora ny raharaha fanolanana zazavavikely 09 taona ity. Araka ny fitantaran’ity ankizivavy 09 taona antsoina hoe Chemila Elisabeth naholan’ny raikeliny ity dia efa tsy eo ny reniny ka izy sy ity raikeliny ity ihany no ao an-trano dia batain-drainy eo ambony fandriana atoriany ilay zazavavikely raha resin-tory ary entiny eo ambony fandrian’izy mivady. Eo no ataony ny fanolanana, raha vitany ny filan-dratsiny dia rahonany ho vonoina ilay zazavavikely, ary raha nitaraina tamin’ny reniny ilay zazavavikely izay efa nisaraka raha teo izy mivady noho izany dia ilay raim-pianakaviana mpanolana no sady mpampianatra ity indray no nandrangaranga, fa hampiasany ny volabeny izany fa tsy izany fanilanana izany mihintsy no hampiditra azy am-ponja, ary tena nitombona ny voalazany raha tarafina tamin’ny zoma teo tao amin’ny fampanoavana Fenerivo atsinanana.

Ankoatra izany dia samy nanamafy avokoa ny mpitsabo fa tena voamafy tamin’ny fanolanana nahazo azy ilay zazavavikely ity, izay no nahatonga ilay renim-pianakaviana nilaza fa aleo mitsabo ny zanaky ny tena voamafy fa raha ny fitsarana ao Fenerivo atsinanana sy ny mpitandro ny filaminana no hianteherana dia ho voamafy eo ny zanaky ny tena. Ny 16 janoary izao no hiakatra fitsarana ny raharaha nefa raha ny lalana dia fitsarana ady heloka be vava tsotra no tokony hitsara izany raharaha fanolanana zazavavikely 09 taona izany. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha amin’io fotoam-pitsarana ao Fenerivo atsinanana io.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici