- Publicité -
samedi, août 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZaza hita faty teny Ambohimalaza : Vehivavy roa tompon’antoka any am-ponja, olona roa...

Zaza hita faty teny Ambohimalaza : Vehivavy roa tompon’antoka any am-ponja, olona roa hafa karohina

Vehivavy miisa roa no voasambotra ho isan’ny tompon’antoka tamin’ny hala-jaza, fanolanana ary famonoana ity zazavavy kely iray 6 taona ny 19 jolay teo. Hita faty ny 21 jolay 2025 teny Ambohitremo, Kaominina Ambohimalaza. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ary voatazona vonjimaika eny amin’ny Fonja Antanimora izy roa vavy. Olona miisa roa kosa no mbola karohina amin’izao fotoana izao. Lehilahy iray antsoina hoe  Raôly sy ny sakaizany antsoina hoe Sylvia voarohirohy ho nandray anjara mivantana tamin’ny fangalarana, fanolanana, famonoana ity zazavavy 06 taona ity. Tsiahivina fa teny Ambohimangakely no very io Zaza io. Nanao fampilazana tamin’ny tambajotra sosialy ny fianakaviana momba azy io. Telo andro aty aorina vao hita faty teny Ambohimalaza izy io. Nafanina tao amina kirihitra Kely iray. Ny mpandalo no nahatsikaritra ny fisiany ary nampilaza ny zandary teny an-toerana. Nanao ny fanadihadiana rehetra ka izao tratra izao ireo olona ireo. Mandeha ny fikarohana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici