- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversZaza kambotin’ny Tafika malagasy : Nomen’ny Masoivoho Sinoa jiro mandeha amin’ny herin’ny...

Zaza kambotin’ny Tafika malagasy : Nomen’ny Masoivoho Sinoa jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Sary fahatsiarovana niarahan’ny Masoivoho Sinoa sy ireo ankizy taizana ao amin’ny akany.

Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny Akany Fitaizana zaza kambotin’ny Tafika malagasy eny Antsahasoa 5 Pagodes ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara, Ramatoa Guo Xiaomei, ny 23 novambra 2022. Nanome voninahitra ny fotoana sady nisolo tena ny Ministry ny Fiarovam-pirenena ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Tanjona amin’izao fanomezana izao ny hanatsarana sy hanamafisana ny hazavana eo anivon’ny Akany. Noho izany, lehibe loatra ho an’ny Akany amin’ny fitaizana ireo ankizy beazina ao izao fanomezana izao, hoy ny Amiraly nandritra ny fandraisam-pitenenany ho fisaorana ny Masoivoho sinoa. Nambarany fa « na kamboty aza ireo zaza ireo dia mahatsiaro manana mpiahy ary fantatra fa taninketsan’ny foloalindahy ihany koa izy ireo amin’ny ho avy, noho ny fitiavan-tanindrazana izay modely hita amin’izy ireo sahady. Nohamafisin’ny mpanolotra izany ka nilazany ny fahavonon’ny Firenena Sinoa hanampy sy hiara-miasa amin’ny firenena Malagasy. Tsapany, hoy izy, fa adidy lehibe ny fandraisana an-tanana ireo zaza ireo ka mila fanohanana sy fanampiana ahafahan’izy ireo miaina sy misitraka ny zo maha ankizy azy. Nandray izao fanomezana izao moa ny Amiraly Assany Jeannot Mazaoro sady filoham-boninahitry ny akany fitaizana zaza kamboty eo anivon’ny tafika malagasy.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici