“Mitsangana, areno ny zaza ka tantano hataoko firenena lehibe izy” Io andalan-tsoratra masina nalaina tao amin’ny Gen 21: 18 io no entina hanorenana ny fivoriamben’ny Fikambanana Protestanta Mpanao Asa Soa, Miahy ny Zaza Kamboty eny Tangaina, izay ho- tanterahina eny Tangaina ny asabotsy 28 febroary ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Asaina araka izany mba ho avy hanatrika io fotoan-dehibe io ny Fiangonana mpanohana rehetra, ny mpikambana sy ireo tsara sitrapo rehetra maniry, hiditra ho mpikambana sy hiara-hiasa amin’ity fikambanana izay nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana manokana eo amin’ny fikarakarana zaza kamboty ity.
R.Edmond