Tovolahy iray 18 taona no tratra ambodiomby tanteraka teo am-pamakiana trano tetsy Andohatapenaka, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa nisazy teny amin’ny toby fitaizana zaza maditra ity farany ary dia izao tratra izao indray.
Soa ihany fa henon’ny tompon-trano, izay taitra tao anaty torimasony, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any, ity olon-dratsy nihanika ny tranon’izy ireo ity. Raha tsy izay dia mety ho efa zava-doza no niseho raha tena tafiditra tao. Raha ny vaovao azo hatrany mantsy dia henon’ireo tao an-trano mihitsy ity farany naka tohatra, nihanika « grille de protection » ary tonga teo an-davarangana. Teo am-pibatana ireo zavatra rehetra hitany teo amin’io toerana izy no tonga tampoka ny pôlisy, izay efa nampandrenesin’ireo tompon-trano mialoha, raha vao nahita azy nikonokonona niakatra fotsiny. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy moa ranamana ary nanaovana fanadihadiana tamin’iny fotoana iny ihany.
Fifohana rongony no nahatonga ity tovolahy iray ity nisazy teny amin’ny zaza maditra teny Ambohidratrimo, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena. Ankehitriny, azo antoka fa ny varavaran’Antanimora indray no hidanadana ho azy, taorian’izao heloka nahatratra azy ambodiomby izao. Efa maro tamin’ireo mpandinika fiaraha-monina tokoa no nanaitra ny tompon’andraikitra rehetra amin’ity resaka fonja ity eto amintsika. Misy zavatra tsy mety ao, satria raha ny tokony ho izy dia toeram-panarenana, ahafahan’ireo voafonja hiditra indray anaty fiaraha-monina izy ireny, manomboka eny amin’ny toeram-pitaizana zaza-maditra ka hatramin’ireo fonjabe. Tsy izay anefa no zava-misy, araka ny fandinihan’izy ireo fa ny mifanohitra tanteraka. Hany ka tsy mahagaga loatra ny vokany, toy ity tranga ity.
m.L