Olona roa no voatery nosamborin’ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mampikony ny faran’ny herinandro teo noho ny resaka vono olona nitranga tany an-toerana. Zazakely vao roa taona no lasibatra teo ary isan’ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana ny reniny niteraka azy. Habibiana tsy roa aman-tany tokoa no nitranga tao amin’ny fokontanin’Ambovobiriky, any amin’iny distrikan’i Mampikony iny. Novonoin’ity reniny tsy nanany antra ny zanany nateraky ny kibony. Olona roa izy ireo no tompon’antoka, ilay vehivavy reniny, niaraka tamin’ny sakaizany. Raha ny fantatra hatrany dia efa tany ho any amin’ny volana mey tany ho any no nanaovan’izy ireo izay vono olona izany. Zaza roa taona, novonoina avy eo nalevin’izy ireo tao anaty lava-drano. Taty aoriana, ny fokonolona teo an-toerana no nampandre ny pôlisy fa misy fofona hafahafa nivoaka avy tao amin’io lava-drano io. Rehefa nojerena dia indrisy tokoa fa efa taolana nangilam-potsin’ilay zaza sisa no hita tao. « Nanambara ity renim-pianakaviana ity fa noho ny fahasembanana nisy teo amin’ny zanany izay tsy nahafany nandeha no antony namonoany io zaza io. Nisarahan’ny rain-janany izy ary lasa vesatra ho azy ilay zaza ka novonoiny » araka ny fampitam-baovao azo. Tamin’ny famotorana azy ihany koa no nilazan’ity vehivavy ity ny niray tsikombakomba azy tamin’izany vono olona izany. Efa samy nosamborina izy ireo, nanaovana famotorana. Raha tsy nisy ny fiovàna dia natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana omaly ireto olona mpamono zanaka ireto.
m.L