Tsy nisy tohiny hatramin’izao ilay raharaha izay nahafaty an’i Ralambomendrika Nasandratra Valimbavaka (RNV) 15 taona ary mpianatra amin’ny kolejy protestanta. Nanao fihetsiketsehana ny fianakaviany sy ny namany ary ny mpiara-mianatra aminy sasany omaly teo anoloan’ny fitsaràna Anosy. Ny antony dia ny mba anehoan’izy ireo ny tsy fankasitrahany ny zava-misy dia ny tsy fisian’ny fanadihadiana azo hatao amin’ny miaramila noho ny tsy fisian’ny didy fankatoavana izany (ordre de poursuite) avy amin’ny minisiteran’ny foloalin-dahy. Tsy nisy fivoarany arak’izany ny raharaha noho io antony io, raha araka ny fitarainan’ireo fianakaviana. Mangataka izy ireo ny hijeren’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny foloalindahy akaiky ny raharaha mba tsy ho mpiray petsapetsa sanatria amin’ny raharaha heloka bevava, hoy hatrany ireo olona nanao fihetsiketsehana. Torak’izany koa ny mba tsy hitanilàn’ny fitsaràna ao anatin’ny fandinihina sy fanapahana ny raharaha. Raha tsiahivina, tsy hita nanomboka ny 6 jiona i RNV ary enina andro taorian’io vao hita saingy efa vatana mangatsiaka, tsy nisy aina intsony. Raha nanao fanadihadiana teo amin’ny manodidina an’Ivato Aéroport ny fianakaviana dia nandre fa nisy miaramila maro nisambotra io ankizilahy io teo amin’ny kianja filalaovam-baolina ary nitondra azy ireo tao amin’ny toby miaramila. Raha nandalo teny nitady an’i RNV ny havany dia narirarira ary nolazaina fa tsy misy izany ao, hoy hatrany ireo fianakaviana. Miaramila hafa izay noterem-panahy no nilaza moramora fa naterina any amin’ny Hjra ilay zaza. Tany indray dia tsy nahitàna ny anarany ny lisitry ny marary. Akory anefa ny hagagan’ireo havany raha nahafantatra fa efa maty ilay zaza ary ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly. Ny tena azo heverina fa tokony hampizotra haingana ny fanadihadiana ny fisian’ny zazalahy iray izay voasambotra niaraka tamin’i RNV saingy tsy maty. Efa nivoaka tamin’ny fahanginany io farany ary nitantara ampahibemaso (tambajotra sosialy) ny nanjo azy roa lahy. Hatreto anefa toa tsy nanova na inona na inona izany. Zaza no maty, dia tena tsy tokony hihetsika tokoa ve ny raharaha fa vitavita hoazy?
D.R