Zaza voalohan’ilay renim-pianakaviana ity vao teraka ity. Avy ao amin’ny distrikan’i Mandoto, ao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanety, i Veronique, 18 taona, manam-bady, ary mpamboly sy mpiompy no asany.
Teraka soa aman-tsara ilay zaza tamin’ny alakamisy 15 may 2014 lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, tao amin’ny hopitaly Loterana Andranomadio. Nanano sarotra ny fiterahana ka voatery nandalo fandidiana i Veronique, natao “césarienne ”. Fantatra mantsy, araka ny fanazavana nomena, fa be tosi-drà loatra ilay ramatoakely ary avo be ihany koa ny tahan’ny albimionina ao aminy, izay nitarika fanintontsintona teo aminy nandritra ny fiterahany, ka izay no antony nandidiana azy, hoy hatrany ny fanazavana. Akory ny hatarain’ny mpampiteraka raha nahita ity zaza vao teraka. Tsy mitovy amin’ny zaza rehetra fa sampona tanteraka: tokana ny masony, tsy misy taovam-pisefoana, ary roa ny taovam-pananahany. Ny tena nanaitra sy nahavariana dia ny fahitana ilay filahiana kely teo amin’ny tapom-kandriny, saika nanarona ilay masony tokana. Teo amin’ny toerana misy azy kosa ny taovam-pananahana maha vehivavy azy ary feno avokoa ny ratsam-batany rehetra. Ora roa taorian’ny nahateraka ilay zaza, raha ny fanazavana hatrany, dia maty izy. Ilay reniny kosa tsy mbola mahatsiaro tena hatramin’izao ora anoratana izao. Raha ny fantatra hatrany, ankoatra ny fahabetsahan’ny tahan’ny albiominina sy ny tosi-drà be loatra mahazo ilay renim-pianakaviana dia voan’ny aretina antsoina hoe “ toxoplasmose”, azo avy amin’ny volon-tsaka sy alike, ihany koa i Veronique ka nahatonga izao fahaterahana zaza sampona izao.
Andry N.