
Ny alin’ny fandevenana ihany dia efa nisy namaky ny fasana. Navoakan’ireo olon-dratsy tao ny zaza iray vao nalevina ary tsy vitan’izany fa nesorin’ireo ny masony. Tsy nisy nipika ny ankoatr’izay. Ireo fianakaviana izay mba namerina nanara-maso ny fasana ny ampitson’iny no nahita ity loza nitranga. Ory fanindroany indray raha nahatsikaritra ity vatana mangatsiaka izay natsipy fotsiny teo ivelan’ny fasana niaraka tamin’ny vata-paty ary tsy nisy maso intsony. Ny tranga toa izao dia mbola manaporofo fa manjaka ny finoanoam-poana any amin’ny faritra sasany. Finoanoam-poana izay mitarika fikorontanan’ny fiaraha-monina satria nisy fotoana tena nisesy izany halatra voamaso izany. Tsy vitan’izany fa betsaka ireo olona simba rehefa niharan’izany, indrindra ireo varira izay tena lasibatr’ireo mpaka voamaso. Maro izy ireo no tsy afaka mahita intsony amin’ny tohin’ny fiainany. Hatreto dia ny dahalo no malaza fa tena mila voamaso mba hanaovan’izy ireo ny ody ratsiny. Ny masobe tsy mahita, raha araka ny feo mandeha etsy sy eroa, no tena antony ampiasaina azy. Tsy eto amintsika ihany fa any amin’ny firenena sasany any Afrika dia mbola misy koa ny halatra voamaso toa izao ary dia mbola ampiasaina amin’ny ody ratsy koa. Raha oharina amin’ny tranga toa izao dia tena mbola sarotra ny misintona ny olona sasany mba hizotra any amin’ny fandrosoana. Mbola mibahana loatra ny finoanoam-poana sy ny fanompoan-tsampy.
D.R