Efa ho iray volana teo ho eo no very ity zaza varira na “albinos” ity sy naka tao an-tokatranon-dray aman-dreniny, tany Ambilobe, faritra Diana. Ny herinandro teo izy no hitan’ireo mpitandro filaminana, tany Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Olona telo no fantatra fa voasambotra tamin’izany, vehivavy ny iray. Tamin’ny fotoana nahitàna ity zaza varira ity moa dia mbola nisy zaza hafa iray ihany koa hita tao amin’ireto olona ireto. Ny andron’ny alakamisy teo tokoa mantsy dia nisy olona nampandre ny mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy tonga tao amin’ny fokotanin’Ankiambe ambony, distrika Toliara I. Hafahafa fihetsika ireto farany ary miaraka amin’ny zaza anankiroa, ka ny iray tamin’izany dia ankizivavy kely tokony ho efa-taona eo ho eo. Nidina avy hatrany tany an-toerana moa ireto mpitandro filaminana ireto raha vao nahare izany, nanamarina ny vaovao. Tsikaritra tokoa tao amin’ny tokantrano iray io fa misy ireo zaza. Olona telo no hita tao amin’ity trano ity, lehilahy anankiroa, samy avy any Bekily, ary vehivavy iray 17 taona monina ao Ankalika Toliara. Nentina natao famotorana avy hatrany ireto farany. Tsy nahafapo rahateo moa ny valin-tenin’izy ireo tamin’ny fanontaniana napetrak’ireo mpitandro filaminana mahakasika ny fisian’io zaza varira io tao amin’io trano io. Fantatra tamin’ny famotorana taorian’io moa amin’izay moa fa zaza nalain’ireo olon-dratsy tany Ambilobe ity farany ary angamba nokasaina hamidy tany an-toerana. Tsiahivina fa ny 21 jona lasa tokony ho tamin’ny efatra ora maraina no nisy naka tao an-tokatranon’ny ray aman-dreniny tao Ambodivoanio, Sirama-Est, kaominina Ankaratra distrika Ambilobe ity zaza ity. Tamin’io fotoana io natory teo am-povoan’ny ray sy reniny tao an-tranony ilay zaza saingy hatairana ny an’ireto farany rehefa tsy hita teo intsony ilay zaza nony maraina ny andro. Natory tsy naheno izay ambonin’ny tany mihitsy ireto farany, eny fa na ny nidiran’ireo olon-dratsy tao an-tranon’izy ireo aza dia tsy henon’izy ireo, hoy ny loharam-baovao azo. Tamin’io fotoana io ihany moa, rehefa nampandrenesina ireo zandary dia efa nisy avy hatrany ny fandraisana fepetra isan-karazany, hanaovana sahavao ny manodidina sy ireo lalam-pirenena rehetra. Nampandrenesina ihany koa ireo tobim-paritra rehetra manodidina sy ny mpitandro filaminana hafa, hikarohana ilay zaza. Iray volana mahery taty aoriana, dia io hita soa aman-tsara tany Toliara io ity zaza ity, salama tsara. Efa misokatra moa ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity raharaha ity.
m.L