- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversZaza very : Ankizy telo nokarohina, hita teny Alasora

Zaza very : Ankizy telo nokarohina, hita teny Alasora

Raha teny Ambohijanaka ireto ankizilahy kely ankitelo, valo taona anankiroa sy enin-taona iray, no voalaza fa very. Teny Alasora kosa izy ireo no hitan’ny olona nirenireny.

Mirongatra tanteraka amin’izao fotoana ny resaka hala-jaza, raha ny hita sy miparitaka ao anaty tambajotra sosialy ao. Vao afak’omaly ohatra dia zazalahy telo no indray tsy hita tao amin’ny fokontany Soaranokely Ambohijanaka. Nampandrensina avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana rehefa tsy nody izy ireo, ny hariva raha voalaza fa nandeha nilalao. Teo no ho eo ihany dia nanao ny fikarohana azy ireo ny polisy. Naparitaka eran’ny facebook ihany koa ny filazana « ombay mitady » mahakasika ireto zaza ireto. Tsy very maina ny fitadiavana azy ireo teo, fa omaly ihany tokony ho tamin’ny valo ora maraina tany ho any no hitan’ny olona nirenireny teny Dorodosy akaikin’Alasora ireto ankizy ireto. Raha ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena, dia fitsoahana ny tranon-dray aman-dreniny no nahatonga ireto zaza ireto tsy hita. Voalaza mantsy, rehefa nohadihadiana ireto ankizy ireo fa voakapokan’ny ray aman-dreniny ny iray tamin’izy ireo. Nivoaka teo an-tokotany ity farany ka nahita ny namany roa lahy. Raikitra teo ny hevi-dratsin’izy ireo ny handeha hitsoaka, ary io niafara tamin’ny tsy fahitana azy ireo io. Soa ihany araka izany, fa mba nisy nahita ireto ankizy ireto ny ampitso maraina. Rehefa avy natao famotorana moa izy ireo, dia nampodiana avy hatrany, tany amin’ny ray aman-dreniny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici