- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversZaza very tany Sabotsinamehana : Teny Belinta Amborovy Mahajanga no narian'ireo naka...

Zaza very tany Sabotsinamehana : Teny Belinta Amborovy Mahajanga no narian’ireo naka azy

Notazonina 4 andro tao anaty fiara maizina izy araka ny fitantarany. Izao izy navotsotra izao taty Mahajanga. Ny Alatsinainy raha iny izy avy nanamboatra jiron’ny “chorale” tany am-piangonana iny no nitranga ny seho. Efa somary maizina  tamin’izay hoy izy, tokony  ho tamin’ny 6 ora ariva teo no nifanena tamin’ny fiara iray. « Avy hatrany dia nobataina 5 lahy aho ary natsipiny tao anatina fiara, teo amin’ny sampanana Belanitra no tadidiko farany ». Avy teo dia nandeha lavitra be tsy nataon’izy ireo na inona na inona aho fa rehefa mijanona dia asaina mipipy na misakafo. Rehefa tonga taty an-toerana dia napetraka amin’ny tanàna tsy misy olona tao anaty fiara ihany. Ny marainan’ ny alakamisy teo no nisy olona hafa tonga nijery azy, nambarany fa olona solasola io olona io ankotran’ireo nitazona azy tao amin’ilay fiara. Io olona io no nisava azy, nikaroka ny ati-vavany, nitsapa ny lelany sns. Tsy fantatra izay tombana natao, fa taorinan’izay no nilazan’izy ireo fa « tsy lany match izy » ka natosiny tamin’ny lohany.  Fotoana vitsy taorin’io ihany dia navotsotr’ireo naka azy  Rakotonarivo Dera Ny Finoana, 17 taona monina eny Ambodivondava. Ora iray tany ho any, nandehany dia an-tongotra no nahita zandary i Finoana, ireto farany avy teo no nitondra azy teny amin’ny birao, nampandre ny lehibe ary nampifandray azy tamin’ireo tompon’andraikitry ny fikarohana tany an-dRenivohitra sy ireo fianakaviany. Ny antoandro ihany  dia nalefa fiaramanidina namonjy ny Ray aman-dreniny io tovolahy io. Manohy ny fanadihadiny kosa ireo mpitandro ny filaminana.

Tantely Vandriam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici