- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversZaza very tetsy Ankorondrano : « Efa hita i Thonyau, natory tany...

Zaza very tetsy Ankorondrano : « Efa hita i Thonyau, natory tany amin’ny namany » hoy ny raibeny

Very ny alarobia hariva teo ity Ramanantsoa Mickael Thonyau, zazalahy kely 10 taona, monina etsy Andranomahery Ankorondrano, raha nirahin’ny raibeny handeha hantsaka. Roa andro taty aoriana, hita soa aman-tsara ity zazalahy ity, izay tsy taiza tsy akory fa nilalao tsy lavitra akory ity tanana nisy azy ireo, ary natory tany amin’ny amin’ny namany, izay tsy lavitra teo ihany koa.

Filazàna maromaro, na an-gazety na tamina tambazotra sosialy na teny anivon’ny pôlisy no nataon’ireo ray aman-dreniny ny alarobia teo, raha tsy hita tany nanjavonana i Thonyau. Nirahin’ny raibeny, handeha hatsaka rano izy ny harivan’io ary tsy intsony nanomboka teo. Nanomboka teo ireo fianakaviana no nitady azy hatraiza hatraiza. « Ny zoma hariva teo no nisy nahita nilalao tsy lavitra ny tananay, tetsy Andranomahery izy ary io no nitondra azy tany amin’ny fiankaviana » hoy Atoa Ramanantany Randriamaro, raibeny tonga teto aminay.  « Rehefa nanontaniana izy hoe taiza dia nolazainy fa nilalao niaraka tamin’ny namany (mpiara-mianatra taminy efa elabe) ary natory tany an-tranon’io namany io, nandritra ny roa alina tsy nahitàna azy ». Toe-javatra izay hafahafa ihany, satria dia tsy mba nanaitra izay olon-dehibe tao amin’io trano io ve ny nahitàna ankizilahy kely tonga ho azy tao. Marihana, raha ny fitantaran’ity raibeny ity, fa salama vatana tsara aloha ny zafikely taorian’ity nahitàna azy ity, saingy tsy fantatra izay any anatiny any. Nandray an-tanana ny raharaha moa ny avy eo anivon’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona ary heverina fa hitohy ny fanadihadiana mahakasika izany, eny fa na dia efa hita soa aman-tsara aza ilay zaza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici