
Natao sorona ! Efa vatana mangatsiaka an’ity tsy manan-tsiny sisa no hitan’ny zandary tao anaty kirihitr’ala, niaraka tamin’ny karazana ody maro samihafa. Tranga mampihoro-koditra niseho tao Ambavahady Vato, kaominina Miandrarivo, distrikan’i Faratsiho ny alahady lasa teo. Vono olona no niseho ary nanaiky izany ny tompon’antoka, izay tsy iza fa ny rainy sy ny renibeny, niaraka tamin’ny mpimasy iray. Nolazaina fa hoe “hanamasinana doany no antony nandatsahana ny ain’io menavava io”
Ny zava-nisy : ny zoma talohan’io no tsy hita ny nalehan’ity rainy ity izay nitondra an-keriny an’ilay zaza. Voalaza fa nisy fifamaliana mantsy teo amin’izy mivady ary lasa rangahy. Fifamaliana izay ninian-drangahy natao mba hantanterahana ny teti-dratsin’izy sy ny reniny. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary taorian’izay ary nandeha ny fikarohana azy ireo. Nohadihadiana ny renin’ilay zaza ka taorian’izay no fantatra fa nisy “zavatra nokonokonon’ity vadiny sy ny rafozany” talohan’io tranga io. Nosamborina araka izany ary natao fanadihadiana ihany koa ilay rafozam-bavy. Taty aorian’izay dia hita ny nisy an-drangahy, efa tsy teny aminy intsony ny zanany. Notanana avy hatrany ihany koa ilehio ary noterena hanoro ny toerana nisy ilay zaza. Indrisy fa io efa vatana mangatsiaka io no hita. Nibaradaka ranamana. Fantatra teo ny marina : novonoina ny zanany ary izy no tompon’antoka, niaraka tamin’ny renibeny. Voasaringotra ihany koa rangahy lehibe iray, mpimasy, izay tsy iza fa sakazain’ilay renibe ihany. Notanana natao andrimaso avy hatrany izy ireo ho amin’ny famotorana, mandra-piandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L




