- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversZazavavy kely mbola mpianatra maty nanala zaza

Zazavavy kely mbola mpianatra maty nanala zaza

Nindaosin’ny fahafatesana  ilay zazavavy kilasy famaranana ao amin’ny sekoly iray eto Ambatondrazaka  raha nanala zaza ka tsy afaka ilay zaza .Vetivety foana dia nahoraka eran’ny tanàna ity tranga ity satria nandray andraikitra ireo mpiara-monina sy ny manodidina ny trano nitoerany ka nitondra ny raharaha eny amin’ny polisim-pirenena Ambatondrazaka .Misy sahady ny olona ahiahiana mahakasika izao tranga izao, izay nambaran’ny manodidina fa nanao io fomba ratsy io. Ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana enefa no tena hanamarina izany, satria efa vita avokoa ny fitsirihana sy ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny dokotera. Mpianatra mipetraka eny ambanivolo ity nanala zaza ity ,ary hamonjy fianarana no niakarany teto Ambatondrazaka, ka izao niafara tamin’ny fahafatesana izao. Betsaka mantsy ireo ray aman-dreny no mampiana-janaka eto Ambatondrazaka ka manofa trano samy irery na miaraka amin’ny namany, ka ao ireo tratry ny fakampanahy noho ny rendrarendra. Tsy vahaolana anefa ny manala zaza, satria famonoana olona  mivantana.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser