« Angaha izahay raha manana fahasembanana dia tsy afaka manana fiainana ara-pananahana toy ny olon-drehetra ? (…) » hoy ny hikiakan’ireo mpikambana eo anivon’ny AFHAM na ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara. Raha ny voalazan-dRtoa Raharivelo Lala, mpikambana, dia mahatsiaro hiharan’ny fanavakavahana izy ireo, raha vao miresaka zo sy fahasalamana ara-pananahana. Na dia ny hamonjena sy fidirana anaty tobim-pahasalamana fotsiny aza dia efa olana ho azy ireo, raha ny fanazavana azo. Maika moa fa ny hoe hisitraka izany zo ho an’ny fahasalamana ara-pananahana izany. Kanefa dia mazava tsara ny voalazan’ny fehezan-dalana 2017-04 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ao amin’ny andininy fahatelo fa ny rehetra, tsy misy fanavakavahana, dia mitovy amin’ny fisitrahana ny fahasalamana ara-pananahana.
Mbola maro, hoy izy ireo, ny tobim-pahasalamana tsy misy fotodrafitr’asa manokana ho azy ireo. Ankoatra izay ny fanavakavahana, ny tsindry na ny tondro-molotra mety mahazo rehefa hiresaka fananahana. « Ao ny hoe tsy mahazo miteraka, ao ny terena tsy hiteraka intsony, sns ». Mety ho arakaraka ny halehiben’ny fahasembanana eo aminy, fa olombelona toy ny olombelona rehetra izy ireo, manana ny safidiny ary manana ny filàny, hoy hatrany Rtoa Lala. Koa miantso ny rehetra fa indrindra ny tompon’andraikitra izy ireo mba hijery akaiky ny zava-misy ary hanova ny famindra manoloana ireo olona manana fahasembanana.
m.L


