- Publicité -
dimanche, août 17, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZotra 114 : Nosamborina ilay resevera nikitika vehivavy mpandeha

Zotra 114 : Nosamborina ilay resevera nikitika vehivavy mpandeha

Tsy ela taorian’ny fitarainan’i F.R, tovovavy izay niharan’ny herisetra mamoafady tao anaty taxi-be, dia voasambotra ilay mpamily mpanampy nahavanon-doza. Teny Ambohijanahary no natao ny fisamborana rehefa nampitain’ny mpitory ny laharan’ny fiara izay zotra 114. Raha tsiahivina dia teo Ambohibao, rehefa hiala fiara no nanararaotra ilay resevera ary nikitika ny tratran’ilay vehivavy. Niaiky ny helony izy nandritra ny fanadihadiana ary nilaza koa fa efa fanaony ity mikitika vehivavy mpandeha ity. Lehilahy 30 taona ilay resevera nosamborina. Niely tamin’ny tambajotra sosialy ity tranga ity ary vetivety dia fantatry ny mpampiasa izany. Teo no nanomboka nijoro vavolombelona avokoa ny vehivavy sasany (matetika ny tovovavy) izay efa niharan’izany. Azo notsoahina tamin’izany fa efa maro no lasibatra ary toa fanaon’ny resevera sasany ity endrika fanararaotana mamoafady ity. Azo heverina fa ho anatra lehibe ho azy ireo iny fisamborana iny, toraka izany koa ho an’ny mpandeha sasany izay manararaotra. Indrindra koa raha fantatra fa misy ny laharana maitso 147 (maimaim-poana) izay hahafahana miantso mivantana raha sendra ianjadian’ny toa izao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici