- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversZotra 139 : Misy resevera tsy manaja mpandeha

Zotra 139 : Misy resevera tsy manaja mpandeha

Toa zava-poana ihany ny fanofanana izay nomena ireo mpamily sy reseveran’ireo taksibe hahaizan’izy ireo manatanteraka ny andraikitra miandry azy eo amin’ny asany. Manamarina izany ny zava-nitranga tamin’ny mpandeha iray tamin’ny zotra 139 mampitohy an’Ambohitsoa sy Antanimena, omaly. Nijanona handray olona teo amin’ny fiantsonana eo amin’ny Paositra Ambanidia ilay taksibe mitondra ny laharana 5130 TAD. Tonga dia niditra tao anatiny ilay lehilahy izay hita fa efa maika dia maika. Nisy zotra 180  anefa tonga nijanona tao aorian’io 139 io. Nidina namonjy izany  ilay lehilahy saingy efa feno io fiara io ka voatery niverina tao anatin’ilay 139 ihany izy. Tezitra noho izany ilay resevera ka saika hanakana ity olona ity tsy hiakatra ao amin’ny fiarany intsony. Tsy vitan’izay,  fa mbola nitrerona ity mpadeha ihany koa nanao hoe : « fa angaha izay tianareo atao no atao ? Efa nadeha tany ianao dia tsy tokony hiverina ato intsony ». Nanazava taminy ilay olona fa ho any ankorondrano izy ka io 180 io no mety aminy, saingy efa feno io ka voatery niverina izy. Tsy nitsahatra teo ilay resevera fa mbola nitabataba ihany nandra-pialan’ilay mpadeha teo amin’ny farmasia eo Antanimena. Taterina eto ity tranga ity mba hisarihana ny sain’ireo lehibena koperativa ny amin’ny tokony hijerena tsara ny toetoetran’ny olona hampiasaina amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici