- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversZrps Delta : Dahalo raindahiny telo lahy tra-tehaka

Zrps Delta : Dahalo raindahiny telo lahy tra-tehaka

Ankoatry ny nahalavo ilay dahalo raindahiny, izay fantatra fa namono miaramila iray tany Maevatanàna, ny herinandro lasa teo dia fantatra fa dahalo kalaza amin’ny halatr’omby telo lahy indray, no tra-tehak’ireo miaramila teo anivon’ny Zrps Delta, ny faran’ny herinandro lasa teo, tao Antanimbaritsara, distrika Maevatanàna. Sarona teny am-pelantanan’izy ireo moa ny omby vao nangalarin’ireto malaso ireto tao amin’io toerana io ihany, izay niisa teo amin’ny sivy teo. Natolotra avy hatrany ny zandary tao an-toerana moa izy ireo ho amin’ny tohin’ny fanadihadiana sy ny famotorana, raha ny vaovao azo avy amin’ny Tafika hatrany.

Anisan’ny fantatra fa miasa mafy sy tsy mikely soroka tokoa ireto mpitandro filaminana ireto amin’ny famerenana indray ny filaminana any amin’iny faritra avaratra andrefana iny. Eny fa na mbola azo lazaina fa manjakazaka sy mampitondra faisana ireo mponina amin’ireo distrika manodidina aza ilay lehiben’ny dahalo fantatra amin’ny anarana hoe Del Kely sy ny namany. Dahalo izay tsy nionona intsony tamin’ny fangalaran’omby fa efa niditra tanteraka amin’ny resaka fakàna an-keriny olona sy fandrobana tanteraka mihitsy. Marihana fa mbola mipetraka hatrany ilay vola tambiny omena izay olona mahasambotra na afaka manome vaovao ahafahana misambotra ity lehiben’ny dahalo ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici