- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntanimbary-Maevatanàna : Mahazo vahana ny fisehoan'ny lozam-pifamoivoizana

Antanimbary-Maevatanàna : Mahazo vahana ny fisehoan’ny lozam-pifamoivoizana

Manomboka mahazo vahana ankehitriny ny fisehoan’ny lozam-pifamoivoizana any Antanimbary an-tampon-tanàna, ato anatin’ny disitrikan’i Mevatanàna, isaky ny Alahady, izay andro tsena sy be olona mivezivezy, tery raha teo ihany koa ny lalana vokatry ny hamaroan’ny mpivarotra amoron-dalana. Ny any amin’iny kaominina iny no betsaka olona mitondra varotra sy mpandanja volamena noho izy toerana manana ny lazany amin’ny resaka volamena. Raha ny angom-baovao voarainay hatrany, dia ny Alahady faha-24 Marsa teo no nahita lozam-pifamoivoizana, ka lehilahy iray atao hoe Christien no voafaokan’ny fiara kely  » Express » avy any Fianarantsoa, hihazo any Mampikony, tokony ho tamin’ny folo ora alina teo no nisehoan’izany, rehefa niampita arabe ity farany. Nentina nalaky namonjy hopitalibe teto Maevatanàna ny lehilahy, ary efa nahazo fitsaboana sahaza sy tsy misy hatahorana ihany koa ny ainy. Rehefa hita fa salama tsara i Christien dia nihazo ny lalan-kizorana hatrany fiara. Ny heriny Alahady teo ihany koa dia mbola nahitana ankizy iray niampita « goudron » no vaodonan’ny fiara tsy mataho-dalana na » 4×4, saingy tsy nisy naninona kosa, rehefa nahazo fitsaboana tao an-toerana hatrany. Noho ireo lozam-pifamoivoizana ireo dia mangataka amin’ny tomponandraikitra tandrify rehetra ny mpampiasa ny lalana amin’ny lalam-pirenena fahefatra, indrindra rehefa andro tsena isaky ny Alahady ao Antanimbary, mba hijery vahaolana maharitra, makasika an’ireo olona mpivarotra amin’ny sisin’arabe, sao hitera-doza mahatsiraviny.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici