- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananara Anjozorobe : Mpifankatia nifamono, nifanatsatoka antsy, maty ny iray

Mananara Anjozorobe : Mpifankatia nifamono, nifanatsatoka antsy, maty ny iray

Mbola mpianatra izy ireo, samy avy any ambanivohitra ary manovo fianarana sy manofa trano ao  an-drenivohitry ny distrikan’Anjozorobe. 

Ny andron’ny alarobia hariva lasa teo, nitrangana fifandratrana niafara tamin’ny vono olona  tao amin’ny tokantranona mpianatra iray, tao Mananara Anjozorobe. Samy naratra mafy na ilay tovolahy na ilay tovovavy, saingy ity farany no voa mafy, ary namoy ny ainy omaly maraina. Hatreto, tsy fantatra mazava izay tena zava-niseho, tamin’io andro hariva io.  Raha ny voalaza sy araka ny fampitam-baovaon’ny tompon’andraikitry ny filaminana dia mbola niaraka tsara izy roa ireto teo am-piravàna avy nianatra, tokony ho tamin’ny efatra ora hariva tany ho any. Iray kilasy rahateo izy ireo ary mpifankatia, hoy ireo mahafantatra azy. Tamin’io alarobia hariva io dia niaraka namonjy ny trano nisy an-dratovolahy, teny Mananara izy ireo. Taoriana kely izay no raikitra ny saritaka : fifamaliana niaraka tamin’ny kotaba nifangaro tamin’ny antso vonjy. Niara-niolomay nijery ny zava-nisy sy niezaka namaly ny antso ireo ankizy mpianatra sasany, mpifanila-bodi-rindrina, mpiara-manofa trano tamin’izy ireo. Indrisy anefa fa efa trano mikorontana, rà mandrika ary vatana anankiroa mihoson-drà no novantanin’izy ireo. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana.

Araka ny angom-baovao azo hatrany dia samy naratra mafy izy roa ireto. Ny an’ilay ankizivavy, 17 taona dia nahitàna ratra maromaro teo amin’ny faritry ny lohany, izay voalazan’ireo mpitsabo nanao ny fizahana fa samy vokatry ny ratra avy amin’ny zava-maranitra avokoa. Teo amin’ny ila-tratrany havia kosa no nisy ratra lalina, vokatry ny tsatoka antsy. Ny an-dratovolahy kosa indray, 19 taona ingahirainy, raha ny vaovao azo, dia teo amin’ny ambanin’ny tratrany no nahitàna izay tsatok’antsy izay. Samy mbola nisy aina avokoa izy roa ireto amin’ny fotoana nahitàna azy ireo ary nezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana. Saingy indrisy moa, io tsy tana io ny ain’ilay tovovavy.

Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary tany an-toerana ary nanao ny fisavàna ny trano nisian’ity vono olona ity. Nahitàna antsy mihoson-drà, izay azo heverina fa nampiasaina tamin’ny fifamonoana tao ambany fandriana, raha ny angom-baovao azo hatrany.

Efa natolotra ny fianakaviana moa ny vatana mangatsiakan’ilay tovovavy. Ilay tovolahy kosa, mbola eo an-dalam-pitsaboana azy ireo mpitsabo. Fitsaboana izay tsy vita tany an-toerana ka tsy maintsy voatery nampikarina taty an-drenivohitra. Miandry ny fahasitranan’ity farany araka izany vao afaka manao ny famotorana izy ireo.  

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici