- Publicitรฉ -
mardi, septembre 1, 2026
- Publicitรฉ -
AccueilFaits-Divers๐’๐š๐ฏ๐จ๐ซ๐จ๐ฏ๐จ๐ซ๐จ ๐ญ๐ž๐ง๐ฒ ๐“๐ฌ๐š๐ซ๐š๐ฆ๐š๐ฌ๐š๐ฒย : ๐Ž๐ฅ๐จ๐ง๐š ๐ฏ๐จ๐š๐ฅ๐š๐ณ๐š ๐Ÿ๐š ๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐ ๐š๐ฅ๐š-๐ฃ๐š๐ณ๐š ๐ง๐ข๐ก๐š๐ซ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ญ๐ฌ๐š๐ซ๐š๐ฆ-๐›๐š๐ก๐จ๐š๐ค๐š

๐’๐š๐ฏ๐จ๐ซ๐จ๐ฏ๐จ๐ซ๐จ ๐ญ๐ž๐ง๐ฒ ๐“๐ฌ๐š๐ซ๐š๐ฆ๐š๐ฌ๐š๐ฒย : ๐Ž๐ฅ๐จ๐ง๐š ๐ฏ๐จ๐š๐ฅ๐š๐ณ๐š ๐Ÿ๐š ๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐ ๐š๐ฅ๐š-๐ฃ๐š๐ณ๐š ๐ง๐ข๐ก๐š๐ซ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ญ๐ฌ๐š๐ซ๐š๐ฆ-๐›๐š๐ก๐จ๐š๐ค๐š

Lehilahy iray voalaza fa mpangala-jaza no voasambotry ny olona teny Tsaramasay omaly maraina. Lehilahy iray sy vehivavy iray izy ireo no niaraka ary nanantona ireo ankizy nilalao baolina teny an-toerana, raha ny fitantaranโ€™ny olona. Nisy nahatsikaritra ho nanao fihetsika hafahafa ka avy hatrany dia nisy nihoraka niantso fa misy mpangala-jaza. Taitra ny rehetra ka avy dia nanenjika azy ireo ka voasambotra ilay lehilahy iray. Voalaza ho nahitana mosoara, ranomanitra, ยซ seringue ยป sy basy tany aminy. Vokatrโ€™izany, avy dia niharanโ€™ny fitsarambahoaka ka maratra mafy Ilay lehilahy io. Tao anatinโ€™ny savorovoro sy hatezerana noho ity resaka hala-jaza ity ireo vahoaka ary nanampatra izany taminโ€™ity lehilahy ity. Tonga teny ny mpitandro filaminana saingy tsy nahasakana ireo olona marobe nanao fitsaram-bahoaka. Efa tena voa mafy, nandriaka ny ra vao afaka nentina niala teny izy io. Nentinโ€™ny mpitandro filaminana taminโ€™ny fiara 4×4. Misokatra ny fanadihadiana momba ity tranga ity. Andrasana ny fanazavana avy aminโ€™ny polisy sy zandary raha tena mpangala-jaza tokoa, ary indrindra ny filazana fa nahitana basy sy ireo zavatra hafahafa. Andaniny, nisy koa ny filazana fa nisy lehilahy naka an-keriny teny Ankadivato teny. Fiara 4×4 miloko mainty raha ny voalaza ary nitondra basy ireo. Tao anatinโ€™ny fotoana fohy nisehoanโ€™izany raha ny filazana ary tonga teny ny mpitandro filaminana fa tsy nahatratra na inona na inona. Ao anaty savorovoro nโ€™y olona, eo koa ny fisavana fiara misy fitaratra mainty izay tena nohamafisina. Heverina fa izay mampiahiahy tokoa no iharanโ€™izany ary fanaraha-maso ara-dalana fa tsy fanaparam-pahefana na fampitahorana. Mety hiteraka olana izany raha tsy voafehy indrindra raha olona tsy manan-tsiny no iharanโ€™ny tsindry. Efa maro ny mitaraina satria mety ho endrika fiarovana fananana aminโ€™ny ratsy koa izy ireny fa tsy entina hanaovan-dratsy.

Yv Sam

- Publicitรฉ -
- Publicitรฉ -
- Publicitรฉ -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnรฉsS'abonner
Articles qui pourraient vous intรฉresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaรฎt entrez votre commentaire!
S'il vous plaรฎt entrez votre nom ici