
Mitohy hatrany ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ataon’ny eo anivon’ny zandary. Ny herinandro lasa teo, sarona indray ny rongony milanja eo amin’ny 100 kilao teo ho eo, nisy « nanadino » teo amoron’ala, tany amin’iny kaominina Ampataka, distrikan’i Vangaindrano iny. Araka ny fampitam-baovao azo dia ankevitry ny mbola entan’ireo olona efa voasambotra tamin’ny volana jona tany an-toerana ihany ireto sarona ireto, ary ireo olona nitondra dia azo heverina fa naman’izy ireo ihany. Tamin’ny fotoana nahatratrarana ireto rongony maina nahatratra 10 gony ireto mantsy, dia nisy ny fampandrenesina tonga tany amin’ny zandary tany an-toerana, mahakasika ny fisian’olona milonjehitra gony maromaro, naka aina tsy lavitry ny kirihitr’ala iray tao Mahela II. Fihetsika nampiahiahy izay nandraisan’ireo mpitandro filaminana andraikitra avy hatrany ary nidinanan’izy ireo teny an-toerana. Tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo anefa dia efa tsy nisy tazana intsony ireo olona nitondra ireto « entana », namela ireto farany teo. Tamin’ny fisavàna no nahitàna fa rongony maina ireto tao anaty gony maromaro ireto. Mbola mitohy moa ny fikarohana tompon’ny entana any an-toerana. Ireo rongony kosa, nogiazana any amin’ny tobin’ny zandary, ho amin’ny famotehana azy, aorian’ny alalàna omen’ny fitsaràna.
m.L