- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHala-jaza : Nitakiana vola ny ray aman-dreniny ho sandan’ny famotsorana azy

Hala-jaza : Nitakiana vola ny ray aman-dreniny ho sandan’ny famotsorana azy

Tena misy ireo mpangala-jaza. Raha ity tranga tany amin’iny distrikan’Ihosy ity dia toa miendrika fakàna an-keriny ihany ilay izy. Mitaky vola eo amin’ny telo hetsy ariary mantsy ireo olon-dratsy ho sandan’ny ain’ity zaza tsy manan-tsiny.

Lehilahy iray  aloha hatreto no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Ihosy noho ny resaka hala-jaza nitranga tany an-toerana. Raha ny zava-nitranga, zazalahy kely vao sivy taona monja no nanjavona tsy hita tao an-toerana, ny faran’ny volana martsa lasa teo. Tsy hita mihitsy moa ilay ankizy na dia efa nokarohina hatraiza hatraiza aza. Tamin’io fotoana io ihany anefa, mpiara-monina iray amin’ireo ray aman-drenin’ilay zaza no nahazo hafatra fohy amin’ny finday. Hafatra izay milaza fa « afaro ny ray aman-drenin’ilay zaza very fa raha te hahita ny zanany izy ireo dia mila mandoa vola telo hetsy ariary ». Teo no ho eo ihany dia tonga nametraka fitarainana tany amin’ny biraon’ny pôlisy ireo ray aman-dreny very zanaka. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo mpitandro filaminana taorian’io, ary nametraka ny drafitra sy paik’ady rehetra hanavotana ilay zaza sy hipaingorana ilay mpanao ratsy. Nampilaza an’ilay mpangala-jaza moa teo ireo ray aman-dreniny fa manaiky ny handoa ilay vola voalaza. Nanome fotoana ny ampitso sy toerana ary ireo olon-dratsy teo, mba hanaterana izany. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa dia efa mipetrapetraka ny vela-pandrika rehetra nataon’ireo pôlisy. Efa nisy mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily nanodidina ilay toerana voalaza fa hanaterana ilay vola. Teo no noraisim-potsiny ny lehilahy iray, raha handeha haka izany. Raha ny mikasika ilay zaza kosa dia fantatra fa hita sy avotra soa aman-tsara ilay zaza ary efa tafaverina amin’ny ray aman-dreniny. Mbola misy moa ny fikarohana ny mety ho naman’ity mpangala-jaza sy mpaka an-keriny ataon’ireo mpitandro filaminana ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici