- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKamiao namoa-doza tany Anjozorobe : Nosamborina ihany koa ny lefitry ny ben’ny tanana...

Kamiao namoa-doza tany Anjozorobe : Nosamborina ihany koa ny lefitry ny ben’ny tanana ary mpamily fiarabe roa hafa

Mivoatra hatrany ny toe-draharaha. Noraisin’ireo zandary avy aty amin’ny vondron-tobim-paritra « Imerina Central », aty an-drenivohitra mihitsy ny famotorana mahakasika ilay fiarabe niharan-doza ary namoizana ain’olona iray ary nandratrana maromaro ihany, nandritry ny lalao baolina kitra iray tao amin’ny kaominina Analaroa, distrika Anjozorobe, ny alahady teo. Fantatra tamin’izany, fa ankoatr’ilay mpamily sady tompon’ilay fiarabe niharan-doza dia mbola nisy olona telo hafa, nosamborina sy nohadihadiana. Tao anatin’ireo ny lefitry ny ben’ny tanànan’Antanetibe Anativolo, izay voalaza fa naniraka ilay mpamilin’ilay fiarabe, hitondra ireo mpijery baolina ho any Analaroa ary niantoka ny solika tamin’izany. Nisy mpamily kamiao roa hafa ihany koa, nitondra olona hijery izany lalao famaranana izany no nosamborina. Tsy hoe nanao lozam-pifamovoizana akory izany fiara izany, fa fandikan-dalàna maromaro ary anisan’izany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny fitondràna olona amin’ny fiara mpitatitra entana ary fitondrana olona tsy mifanaraka amin’ny voasoratra ao anatin’ny « carte grise » no antony nisamborana azy ireto, hoy ny vaovao. Notazomina natao andrimaso tetsy Ankadilalana daholo moa ireto voasambotra ireto ary natolotra ny Fampanoavana omaly. Saingy voalaza fa mbola mitohy ny famotorana ataon’ireo mpitsara ka mbola naverina notazomina eny zandary indray aloha. Ny zoma izao, raha tsy misy ny fiovàna no averina alefa eny Anosy izy ireo, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici