Nidedaka indray afo teny amin’iny faritra 67ha sy Andranomanalina ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Trano roa, ary fiara iray indray mantsy no levon’ny afo teny an-toerana. Tokony amin’ny 10 ora alina tany ho any, nijoalajoala ny afo teny amin’iny faritra Andranomanalina iny. Niainga avy tany amina efitra ambony rihana tamina trano iray ny lelan’afo. Nandevona ity farany ary nitatra tamina trano iray teo akaiky. Nikoropaka avokoa ny olona niezaka namono ny afo. Fotoana vitsy ihany koa dia tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina. Nampanano sarotra ihany koa ny nifehy izany, raha ny nambaran’ireto farany. Somary elakelan-trano mantsy no misy ireo trano levon’ny afo ireto. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra, na izany aza, may kila tsy nisy noraisina ireo entana rehetra tao amin’ireto trano may ireto. Araka ny fanazavàna azo dia vokatry ny “court-circuit” tao amina efitra iray no nahatonga ny loza ary izao nitatra be izao. Nanampy trotraka ihany koa ny toetr’andro izay nandrivotra tamin’io fotoana io. Fianakavina maromaro araka izany no tsy manan-kialofana vokatr’ity loza ity. Fa adiny iray taorian’io hain-trano nitranga teny Andranomanalina io, fiara iray marika Golf type 3, ihany koa no nolevonin’ny afo teny amin’iny faritra 67ha Atsimo ihany hatrany, tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo ho eo. Karaokam-by sisa navelan’ny afo tamin’ity fiara tsaratarehy ity. Araka ny fantatra dia maty ity fiara ity, ary natosika. Tsy fantatra anefa izay niseho tampoka fa nisy tselatr’afo niainga avy tao anaty fiara, ary nahazo ny fantsona nitondra lasantsy. Nidedaka avy hatrany ilay fiara. Nalaky nivoaka haingana ny mpamily ary nandositra kosa ireo mpanosika. Tsy nisy araka izany ny naratra tamin’ity fahavoazana ity, saingy may kila tsy nisy noraisina intsony mihitsy ity fiara ity. Tonga teny ihany koa ny mpamonjy voina namono ny afo.
m.L