Tovolahy 18 taona mpanendaka eny amin’ny « arrêt bus » 119 eo amin’ny 67 ha Atsimo no voasambotry ny polisy ny zoma 19 jolay tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany. Olona miandry bus vao maraina no tena hanaovan’ity lehilahy ity ny asa ratsiny. Io zoma io dia vehivavy hiandry bus vao maraina no niharan’izany fanendahana izay. Nosintonin’ity tovolahy ity ny poketran’ilay vehivavy ka nirifatra nitsaoka izy. Nisy polisy nanao fanamiana sivily anefa efa miandry eo amin’ny arrêt io. Nanenjika ity tontakely avy hatrany io polisy io rehefa nahita izany fihetsika izany. Tsy lasa lavitra ilay tovolahy dia voasambotra. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Polisy no nahalalana fa vao nivoaka ny fonja ho an’ny zaza tsy ampy taona teny antanimora izy ny taona lasa teo. Nadoboka am-ponja eny Antanimora ity tovolahy ity rehefa natolotra ny Fitsarana omaly.
T.M.