Amin’izao fotoana izao dia karohina ny lehilahy iray fantatra amin’ny anaran-jiolahy Dadafara. Izy dia isan’ny nanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Ambohibao, tranga iray izay niteraka fahafatesan’olona, raha araka ny fanamarihan’ny zandary. Omaly no natolotra ny fampanoavana ireo namany ary somary nahagaga ny zandary ihany ny fanapahan-kevitra izay nampidirina azy ireo eny Antanimora fa tsy eny Tsiafahy. Nahafaty olona ary nahatrana basy kanefa mbola eny Antanimora ihany no notazonina vonjimaika, raha araka ny fitarainan’ny zandary. Fantatra fa efa nisy ny nigadra teny Antanimora tamin’ireo jiolahy voasambotra. Isan’izany i Mainty. Ny fomba fandroban’izy ireo dia avy amin’ny “fanjonoana” olona hividy fiara. Mandeha araka ny tokony ho izy ny dokam-barotra amin’ny varotra fiara saingy rehefa hita ny olona hividy dia hivadihana tampoka. Mivoatra hatrany ny fomba fanafihan’ny jiolahy. Tsy voatery fandrobana mivantana intsony izany fa efa mivoatra mankany amin’ny vela-pandrika koa. Hatao izay fomba rehetra hanintonana ny ho lasibatra ary robaina avy eo. Ny tamin’ity tranga teny Ambohibao ity dia nampiasa vola mihitsy ireo jiolahy nividianana fiara ary izany no natao fitaovana handratoana ny olona horobaina. Mivoatra hatrany ny asan-jiolahy ary ireo fomba maharoboka ny olona hampiasain’izy ireo. Eto Andrenivohitra dia an’arivony isan’andro ny fiara mifanakalo na hifampivarotana. Hitan’ny jiolahy fa miroborobo koa izany ankehitriny dia mizotra amin’izany ny famandrihana. Dikan’izany, izay rehetra ivezivezen’ny vola dia efa hitan’ny jiolahy matetika. Mila sampana mandinika an’izany fivoarana izany eo anivon’ny mpitandro ny filaminana mba hiadiana amin’ny asan-jiolahy izay mivoatra tsy an-kijanona ihany koa. Soa fa efa misy ankehitriny ny sampana mpijirika ny tranokala, izany dia inoana fa hanampy betsaka amin’ny endrika fisolokiana, fandrobana ary indrindra ady amin’ny heloka bevava.
D.R