- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Jerem-potsiny ireo mpanendaka

67 ha : Jerem-potsiny ireo mpanendaka

Mampikaikaika ny maro tokoa, ny zava-misy eny amin’iny faritra 67 ha iny ankehitriny. Tsy andro tsy alina, manao ny ataony ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery. Ny mahagaga anefa, dia toa jerem-potsiny izy ireny. Ny aza mba voany ihany hoy ny fitenenana, raha ny nanjo ity Ramatoa iray tamin’ny herinandro lasa iny, ity. Tsy nanam-po na inona na inona ity renim-pianakaviana ity nandeha amin’iny làlana mandalo ny CENAM mihazo ny Jirama iny no injay lehilahy iray no nanakana azy ary nadrirotra sy nanapaka ny tadin’ny paoketrany. Tsy vitan’izay, fa mbola nandronjona azy mba hianjera vao lasa nitsoaka niaraka amin’ilay paoketra. Mba niantso vonjy  ihany ilay Ramatoa, saingy tsy nisy niraharaha mihitsy ireo nahita maso. Eny fa dia ireo “agents sécurité” miambina ireo orinasa eny amin’io faritra io aza, izay nahita sy nanatrika izany herisetra izany.

Satria maro ny antontan-taratasy sarobidy tao anatin’ilay paoketra lasan’ny jiolahy, dia mba nanontany izay tokony hatao   tamin’ilay polisy nisahana fifamoivoizana tsy lavitra io toerana nahavoa azy io, ilay Ramatoa. Akory anefa ny alahelony, fa tsy rototra akory ity voalaza fa mpitandro ny filaminana nanontany izay toerana ipetrahan’ity niharam-boina sy naniraka azy hanao “déclaration de perte“ any amin’ny kaomisarian’ny”arrondissement” misy ny fonenany. Mahavariana…a!

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici