- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Lehilahy nanendaka kavina volamena, voasambotra

67 Ha : Lehilahy nanendaka kavina volamena, voasambotra

JiolahyLehilahy iray 48 taona eo ho eo, antsoina hoe Christian no tratran’ny mpitandro filaminana teo am-panaovana ny asa ratsiny, ny alarobia teo. Tokony ho tamin’ny 06 ora hariva teo no nitrangan’ny fanendahana. Teny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka 67 HA, anoloan’ny HAVANA no nanendaka ramatoa ankiray ny tovolahy. Kavina volamena roa no lasany. Rehefa iny izy nitsoaka nihazo ny elakelantrano iny, no nifanena tamin’ireo mpitandro filaminana; izay nanao fisafoana. Noraisim-potsiny izy tamin’izany ary, dia mbola tratra teny an-tànany ireo kavina. Niaiky ny halatra nataony izy rehefa nofotorana ary nambarany tamin’izany fa ho- entina amidy eny Analakely ireo halatra.Efa eo an-tànan’ny fampanoavana ny raharaha ankehitriny.

Narindra (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici