- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67 ha : Nodimandry ilay mpanao « vacances » voatsatoka antsy

67 ha : Nodimandry ilay mpanao « vacances » voatsatoka antsy

Lahatsoratra nivoaka teto amin’ny pejy Malagasy ny nahakasika ilay tovolahy mpianatra any ivelany ary mba niala sasatra teto amin’ny tanindrazany. Izy io dia mba nakanaka rivotra niaraka tamin’ny namany teny amin’ny 67 ha, ny 2 septambra lasa teo. Izy handeha hody anefa ka nitady fiarakaretsaka no nisy nanindrona antsy tampoka teo amin’ny tendany. Nentina teny amin’ny hopitaly Hjra ary avotra ihany ny ainy teo  na dia efa nahiana mafy aza. Nodidiana izy ny alin’iny ihany ary nanomboka teo no niditra hopitaly. Fantatra raha araka ny fanazavan’ny fianakaviany fa nodimandry omaly Radafison Aina François Richard. 27 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao, noho ny hetraketraky ny olon-dratsy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici