- Publicité -
AccueilFaits-Divers67 Ha : Vao nivoaka ny fonja dia tratra nangalatra môtô

67 Ha : Vao nivoaka ny fonja dia tratra nangalatra môtô

Ny alahady lasa teo, tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-7, 67 Ha, ny lehilahy iray nitondra Scooter halatra. Ny loharanom-baovao no nahafantarana ,fa teny Ambodin’Isotry izy no tratra. Io alahady no very teny amin’ny 67 ha ity môtô ity. Hitan’ny tompony teny Isotry ary nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana izy. Nosavaina ilay kodiran-droa ary nahitana basy kilalao tao anatiny. Taorian’ny fanadihadiana no nahalalana, fa vao avy nivoaka ny fonja tsy ela akory izay ity olona nosamborina ity. Resaka halatra môtô hatrany no nampigadra azy, hoy hatrany ny vaovao. Nolazaina moa fa môtô nindraminy tamin’ny namany io hita teny aminy io. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ny anao lahy.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici