- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Zandary nanapoaka basy, nosamborin’ny pôlisy

67 ha : Zandary nanapoaka basy, nosamborin’ny pôlisy

Tokony ho tamin’ny sivy ora alina no nitranga ilay raharaha, ny asabotsy lasa teo. Nisy zandary nanapoaka basy teo amin’ny cité des 67 ha. Nampatahotra ny rehetra izany ary haingana dia nisy nampandre ny pôlisy. Zandary maromaro izy ireo ary nanao fanamiana sivily. Rehefa tonga teny an-toerana dia natao avy hatrany ny fisamborana an’ireo, satria tsy fantatra intsony na jiolahy na mpitandro ny filaminana noho izy ireo nanao akanjo tsotra no sady tsy nisy « ordre de mission » tokony hampiasana basy.  Nentina   teny amin’ny biraon’ny pôlisy teo an-toerana ka teo vao tena fantatra ny momba azy ireo. Nilaza ireo zandary, fa nisy saika hanendaka ary tsy maintsy nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy mba hiarovana aina. Antony izay mitombina tanteraka, satria inona tokoa moa ny hitazonana fitaovam-piadiana raha tsy hiarovana ny aina aloha voalohany indrindra. Saingy manana alàlana hitazona izany ve izy ireo tamin’io fotoana io, satria raha ny tokony ho izy dia misy asa atao , vao tokony hitazona fitaovam-piadiana ny mpitandro ny filaminana, na inona na inona vondrona misy azy ireo. Any ihany koa no matetika tokony hipetrahan’ny adihevitra momba ny fiparitahan’ny basy. Hatreto mantsy, dia lazaina hatrany fa basy tamin’ny krizy izay efa ho roapolo taona lasa no miparitaka eto amin’ny firenena. Saingy mety ho endrika iray ihany koa ny fampanofan’ny mpitandro ny filaminana ny basy eny aminy na mety ho fampiasany izany amin’ny tsy tokony ho izy mihitsy aza, rehefa tsy voaara-maso ny tokony na tsia hitazonany an’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici