Niafara tanteraka tamin’ny vono olona mahatsiravina, ny zava-niseho tao amin’ny toerana fivarotan-java-pisotro iray teny amin’iny faritra 67ha iny, ny andron’ny krismasy teo. Lehilahy iray, manodidina ny 30 taona no namoy ny ainy rehefa nisy nandrasa tamin’ny vakin- tavoahangy ny tendany. Andro iray fanararaotan’ny sasany misotro zava-mahamamo tokoa ny fety eto amintsika. Ary fotoan’izany tokoa ity fetin’ny krismasy sy faran’ny taona ity. Saika feno hipoka avokoa ireo trano fisotroana ireny. Ny mahagaga anefa, maro amin’ireo mpisotro itony zava-pisotro mahamamo itony no milaza ny tenany ho matanjakabe tampoka izany ka mila ady amin’olona. Ary mazàna tokoa moa, dia tsy ilazaon’ady saritaka ny fiafaran’izany fiaraha-misotro izany. Toy ity nitranga tamina trano fisotroana iray tetsy amin’ny 67ha ity. Tsy fantatra loatra izay niatombohan’ny ady teo amin’izay olona nifamaly taminy sy ity lehilahy ity. Raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana, dia efa nifanao totohondry teny an-tokotany izy ireo. Tsy vita tamin’izay anefa, fa nisy iray tamin’ireo olona ireo no naka tavoahangy tany anatin’ilay trano. Namaky izany ary tsy nisy fisalasalana nandratra ny tendan’ilay lehilahy. Nahazo lalan-drà vaventy teo amin’ny traotraokany izany ka nampijininika ny rà. Vaky nandositra ireto namono vokatr’izay. Ireo nahita kosa no nitondra ity naratra teny amin’iny hôpitaly, saingy noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia namoy ny ainy ity farany. Taorian’izay, raha ny fanazavana azo vao nisy nampilaza ireo pôlisy misahana iny faritra iny. Tsy nisy azo natao intsony moa. Ireo namono rahateo efa tsy hita tany nanjavonana. Ary satria misy resaka vono olona, dia noraisin’ny pôlisy misahana ny helokabevava ny fanadihadiana ny fikarohana ireto nahavanon-doza ireto.
m.L