- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha : "Fusil à pompe" afenin'ny jiolahy

67ha : « Fusil à pompe » afenin’ny jiolahy

Olona saika hihazo ny toeram-piantsonana taxi-brousse no nataon’ny jiolahy lasibatra tetsy 67ha. Efa voatatitra an-gazety ihany ny momba izay, indrindra rehefa voasambotra ilay olon-dratsy. Vola mitentina an-tapitrisany maro no lasany ary hita ny trano fonenany rehefa nisy olona tsara sitra-po nanondro. Rehefa nosavaina dia nahitàna basy roa tao amin’ilay toerana. Teo dia voamarina fa mpiandry fonja izay nendahin’izy ireo ny zoma lasa teo no tompon’ireo. Ireo farany izay vao avy nanatira voafonja teny Tsiafahy kinanjo voaendaka tamin’ny fiverenany teto an-drenivohitra. Momba ilay jiolahy izay voasambotra indray dia mandeha ny feo fa mbola misy basy hafa afeniny any ho any. Fitaovam-piadiana mahery vaika, « fusil à pompe » no ahiana ho mbola napetrany any ho any. Inoana fa hizotra amin’ny fitadivana an’izany ny fanadihadiana izay efa mandeha ankehitriny. Efa ela no nikarohana ity jiolahy ity teto an-drenivohitra saingy havanana amin’ny fiafenana ny mpitandro filaminana izy. Voamarina fa mpikamban’ny « foroche » na ireo zatovo maditra tany Avaratra izy tany aloha tany ary nivadika ho jiolahy tanteraka rehefa nifindra teto an-drenivohitra. Izy no isan’ny tompon’antoka amin’ny fanendahana olona anaty fiara anaty fitohanana ary ampiasainy basy ny fanantontosana an’izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici