- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-Divers67ha : Jiolahy raindahiny, maty voatifitry ny pôlisy

67ha : Jiolahy raindahiny, maty voatifitry ny pôlisy

Zovy tokoa moa no tsy mahafantatra fa isan’ny tokontany iray filalaovan’ireo tontakely, mpanendaka sy mpangarom-paosy, raha iny faritra 67ha sy ny manodidina iny. Misy amin’ireo tontakely no mampiasa fitaovam-piadiana sy zava-maranitra isan-karazany ary tsy menatry ny mandratra sy mamono mihitsy, izay sendra azy, eny fa hatramin’ireo mpitandro filaminana aza. Voatery nampiasa hery ireto farany, ka iray tamin’ireto tontakely ireto no lavo, omaly maraina. Mpanendaka efa fanta-daza sy raindahiny tanteraka amin’izany asa izany. Manoloana izany sy mba hanesorana iny faritra 67ha ao anatin’izay faritra mena izay dia nananteraka hetsika manokana mihitsy ireo polisy, entina hitsimponana ireo tontakely, mampitairana fatratra ireo mponina. Mpanendaka miisa telo no nahazoana angom-baovao, fa hanao ny asa ratsiny, ny alin’ny talata 6 febroary teo, hoy ny teo anivon’ny polisim-pirenena ary nametrahana vela-pandrika. Omaly maraina, tafaroboka tao anatin’ny vela-pandriky ny pôlisy tokoa ireto farany teny amin’iny faritra Ravitoto-Baobab mihazo ny Poste 67ha iny ary nikasa ny hiroso tamin’ny fisamborana azy ireo, ireo mpitandro filaminana. Tsy izay anefa no nitranga, hoy hatrany ny fampitam-baovao, fa nanohitra tanteraka ireo mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo tontakely, tamin’ny alalan’ny antsy lava fentiny manao ny asa ratsiny. Niezaka niaro tena ireo mpisambotra ary nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany. Maty voatifitra vokatr’izany ity olon-dratsy ity. Tafatsoaka tao anatin’izany kosa ireo namany roalahy, izay mbola karohina fatratra hatramin’izao.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici