- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-Divers67Ha : Jiolahy saika hamaky mpivaro-kena, voasambotry ny fokonolona

67Ha : Jiolahy saika hamaky mpivaro-kena, voasambotry ny fokonolona

Nifanenjehan’ny fokonolona ireto jiolahy roalahy, raha teo am-pikasana ny hamaky mpivaro-kena iray teny amin’iny faritra 67ha iny, ny harivan’ny alahady lasa teo. Tsy nahatanteraka ny asa ratsiny izy ireo noho izany. Ny iray tamin’ireo olon-dratsy ihany no voasambotr’ireo mpanenjika, raha tafaporitsaka ny namany. Raha ny zava-nisy araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena : « ny harivan’ny alahady  teny 67Ha dia nisy lehilahy roa tazan’ny olona teny amin’ny manodidina namaky fivarotan-kena iray. Ny iray dia efa mpiasa teo aloha, mahalala tsara ny hidin’ny tsena ary namaha ilay trano ka niditra tao niaraka tamin’ny namany anankiray fa hoe hamoaka hena ». Hitan’ny manodidina anefa ny nidiran’izy ireo tao amin’ilay tranombarotra, ary tsikaritra ihany ny paik’ady ratsy nataon’ireto tontakely ireto. « Rehefa andeha hivoaka iny no nianjera ny varavaran’ilay tranombarotra, ka taitra izy ireo. Nandositra avy hatrany ka nifanenjehan’ny fokonolona teny an-toerana ary izao tratra izao ny iray. Nentina avy hatrany teny amin’ny polisy ao amin’ny boriboritany faha fito (CSP7 Ha)». Eo am-panaovana famotorana ity olon-dratsy ity ireo mpitandro filaminana ary inoana fa tsy ho ela dia ho tratra ihany koa ilay namany, izay efa hifampikarohana amin’izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici