- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-Divers67Ha : Jiolahy saika hanendaka polisy, maty voatifitra

67Ha : Jiolahy saika hanendaka polisy, maty voatifitra

Omaly efa alina, jiolahy iray no maty voatifitry ny polisy avy ao amin’ny SAG, teny akaikin’ny CENAM 67 Ha. Tamin’ny 8 ora alina mahery tany no niseho ity zavatra ity. Fantatra fa anjakan’ny tsy fandriampahalemana iny faritra iny raha vao mihilana ny masoandro, izany hoe, raha vao maizina. Dimy lahy ireo mpanendaka nanao tambabe olona iray. Ny tsy fantratr’izy ireo, mpitandro filaminana handeha hody avy niasa no saika lasibatra. Ny marina kokoa, polisy avy ao amin’ny SAG io saika nendahin-dry zalahy io. Nanao fanamiana tsotra ity mpitadro filaminana ity tamin’io fotoana io. Nahery vaika ny fiarovan-tenan’ilay polisy ka avy hatrany dia nampiasa ny fitaovana teny aminy izy. Tamin’izany no nahavoa ny iray tamin’ireo jiolahy, hoy ny vaovao voaray teo anivon’ny mpitandro filaminana. Raha vao nahita an’izany ireo efatra, rifatra nandositra fa tsy niandry teo ary tsy mbola hita izay nalehany. Sendra ny tsy nampoizina ry zalahy tamin’ity indray mandeha ity. Efa mandeha ny fikarohana an’ireo tafatsoka, omaly alina ihany. Ny rehetra dia samy mahafantatra fa voalaza ho faritra mena iny toerana iny. Efa maro ny jiolahy sy ny mpanendaka isan-karazany tratra teny. Toa tsy mihemotra mihitsy anefa ireo olon-dratsy, fa vao mainka manao ny ataony, tsy mifidy ora, andro aman’alina. Ny vaovao efa fantatra hatrany no hilazana, fa misy amin’ireo mpanendaka ireo no vao avy mivoaka ny fonja, dia mamerin-keloka indray. Tsy eny amin’ny faritra mafana iny ihany fa saika menerana ny Renivohitra mihitsy, hoy ny vaovao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici