Kely vatana saingy havanana amin’ny sinto-mahery. Nisy farany ihany ny asaratsin’ity jiolahy antsoina hoe Takalo rehefa tsy namelan’ny olona ka nenjehana hatramin’ny farany. Efa maro ny nataon’i Takalo lasibatra teny amin’ny faritra manodidina ny 67ha atsimo. Omaly atoandro kosa dia ny olona no nandray andraikitra ary nisambotra azy. Niezaka nifona, toa ny fanaon’ny mpanao ratsy rehefa tratra ihany, saingy efa tena leo ny olona. Ankoatry ny daroka maro samihafa dia mbola naboridan’ny olona koa. Nesorina ny akanjony ambony sy ambany ary tsy nisy afa-tsy ny silipo sisa no nasaina nanaovany. Tsy vitan’izay fa mbola nasaina nilanja taratasy nisy sora-baventy koa. « Tsy hanendaka eto 67ha atsimo intsony aho. Izaho no Takalo », raha araka ny hita teo amin’ny taratasy. Samy nakanaka sary teo avokoa ny mpandalo ary tsy ela dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy i Takalo. Naterina teny amin’ny mpitandro ny filaminana ary miandry ny fanolorana azy eny amin’ny fampanoavana rehefa vita ny fanadihadiana. Asa anefa raha ho hita ny mpitory satria matetika dia eo koa ny olona maha-afaka hoazy ny mpanao ratsy. Betsaka ny olona no rehefa voaverina ny entana very dia manapa-kevitra ny tsy mipoitra intsony eny amin’ny mpitandro ny filaminana na koa eny amin’ny fitsaràna. Vokatr’izany dia lasa mihena ny lanjan’ny dosie satria ny mpitory aza tsy hita. Mitarika ireo mpanao ratsy mamerin-keloka izany amin’ny tranga maro.
D.R




