Tovolahy roa manodidina ny 25 sy 19 taona teo ho eo no tra-tehaky ny pôlisy avy amin’ny boriboritany faha-7, etsy 67ha omaly. Teo am-panantanterahana ny asa ratsiny mihitsy izy roalahy ireto no nifanenjehan’ireo mpitandro filaminana tsy manao fanamamiana, mitsongo dia any anaty tsena rehetra any. Samy hafa ny toerana nahazoana azy roalahy ireto, raha ny tatitra azo avy amin’ny pôlisy. Ny iray tratra teny akaikin’ny fivarotana fahana teny an-toerana, raha mbola variana teo am-pangaronana paosin’olona. Ny iray kosa teny akaikin’ny fiantsonan’ireo taxibe 119, teo am-panokafana sakaosin’olona avy niantsena. Tamin’ny fanadihadiana natao azy roalahy dia fantatra, raha ny vaovao hatrany, fa efa zava-panaony ity manendaka ity ary io mihitsy no natao asa fivelomana. Samy notazomina ao amin’ny kaomisaria izy ireto, alohan’ny hanolorana azy ireo eny amin’ny Fitsaràna.
m.L