Ny zoma lasa teo no nitranga ny fanendahana. Mpiandry fonja miasa ao Arivonimamo ary avy nanatitra gadra tany Tsiafahy no niharan’izany. Very ny pistolet mitrailleur (PM) izay napetraka tao anaty sakaosy. Lasa ihany koa ny fanamiana maha-mpiandry fonja. Nametraka fitoriana teo anivon’ny polisy misahana ny Sureté Urbaine de Tanà (SUT) ary nanomboka teo ny fanadihadiana. Mifanandrify amin’izay dia nisy olona voaendaka koa ary very vola mitentina 16 tapitrisa ariary teny amin’ny manodidina an’i 67ha hatrany. Nahazo vaovao ny polisy amin’ny fisian’ny jiolahy izay ahiana ho nanatontosa ny asaratsy. Natao tokoa ny fisamborana omaly maraina ary hita fa nisy basy sy fanamiana tao amin’ilay toerana nahatratrarana ny jiolahy. Mitondra ny anarana Nata Fabiola ny voasambotra ary raha ny fanazavana azo dia efa ela nokarohina izy io noho ny fanendahana sy fampiasana fitaovam-piadiana mandritra ny fanatontosana an’izany. Tratra tao ny pistolet mitrailleur izay rehefa natao ny fanamarinana rehetra dia an’ilay mpiandry fonja. Vao mainka nanazava izany koa ny fisian’ny fanamiana mpiandry fonja izay hita tao. Nazava avy hatrany izany fa i Nata Fabiola no nanantontosa ny fanendahana nitranga ny zoma lasa teo. Momba ny fanendahana ilay vola indray dia natsipiny tany amin’ny zokiny indray ny rihitra. Nanomboka omaly ny fanadihadiana ity jiolahy ity. Lehibe tany Diégo ity tovolahy ity ary isan’ireo mpikambana amin’ny vondrona Foroche izy tany aloha tany. Ny Foroche dia ireo andian-jatovo izay manakorontana sy mandroba io renivohi-paritany io ary efa an-taonany maro no nisian’izany. Niakatra taty an-drenivohitra rehefa nihalehibe ary dia nitohy nanao asaratsy hatrany. Ireo fanendahana olona mandeha fiara eny amin’ny manodidina ny 67ha hatrany no tena manavanana azy. Ambanana basy ny olona rehefa nidirana an-keriny ao anaty fiara. Toa izay hatrany matetika ny fomba fiadiny. Koa satria efa heloka bevava ity tranga iray ity dia nalefa eny amin’ny brigade criminelle etsy Anosy ny fanohizana ny fanadihadiana an’i Nata Fabiola.
D.R