- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha : Mpibizina « heroïne » telo voasambotra, vehivavy ny iray

67ha : Mpibizina « heroïne » telo voasambotra, vehivavy ny iray

Nisinisy ihany izay efa voasambotra teny amin’iny faritra 67ha iny, tamin’ity resaka fivarotana rongony mahery vaika ity. Raha teratany vahiny foana no fantatra fa atidoha tao ambadik’izy ireny, dia fantatra izao fa nisy Malagasy roalahy voasambotra teny an-toerana, ny voalohandohan’ny herinandro teo. « Heroïne » milanja eo amin’ny 4 grama sy sasany teo ho eo no mbola tratra teny amin’izy roalahy ireto, nandritra ny fidinana tampoka nataon’ireo pôlisy miady amin’ny zava-mahadomelina eny Anosy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia nisy ny loharanom-baovao azon’izy ireo mahakasika ny fisian’ireto tambajotra mibizina rongony mahery vaika eny amin’iny faritra 67ha Avaratra iny. Nanao bemidina avy hatrany teny izy ireo ka sarona tamin’izany ireto roalahy ireto, izay mbola teo am-pivarotana izany. « Rehefa nohadihadiana teny an-toerana izy roalahy ireo dia nilaza fa mivarotra ihany izy ireo fa tsy tompony ary ao amin’ny trano fivarotan-taoka eny an-toerana ny fitoeran’ny entana », hoy ny vaovao. Nisy avy hatrany teo ny fikarohana ny tompon’ilay fivarotana ka ramatoa iray no nentina nanato famotorana. Tamin’ny fanadihadiana, araka ny fampitam-baovao hatrany, dia fantatra fa zanak’ity ramatoa ity no mpamatsy iretsy roalahy sady tompon’ny entana. Ity farany moa dia mbola karohin’ny pôlisy fatratra amin’izao fotoana izao. Ilay ramatoa kosa dia voatery notazomina niaraka tamin’iretsy roalahy. Notondroin’izy ireo ho mpiray tsikombakomba ihany koa mantsy ilay renim-pianakaviana. « Voalazan’ireto roalahy mpivarotra ireto fa fantatr’ilay ramatoa tsara ny fisian’ny zava-mahadomelona ao an-tsenany ary fantany ihany koa fa ny zanany no tompony sy mpanakarama ireto roalahy mpivarotra ireto ka izany no itazomana azy amin’izao raharaha izao », araka ny tati-baovao hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici