- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-Divers67Ha : Mpisandoka ho mpiasan’ny PAC misoloky

67Ha : Mpisandoka ho mpiasan’ny PAC misoloky

Fisandohana andraikitra sy fisolokiana no vesatra anenjehana azy. Lehilahy iray efa lehibe, 54 taona no voasambotra noho izany antony izany. “Milaza ity farany fa mahavita mampiditra olona miasa ao amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption). Efa maro ireo olona no voafitaka noho izany ary efa nazahoany vola manodidina ny  1,6 tapitrisa Ariary ho sandan’izany fampidirana ho mpiasa ao amin’ny PAC izany. Asain’ny mikarakara ny antontan-taratasy rehetra ilaina ilay olona mandritra io fahazoany vola io. Rehefa azony anefa izany dia tsy hita izy sady arirariny ilay olona” raha araka ny tatitry ny polisy misahana ny Komisaria etsy 67 Ha. Notohizan’izy ireo fa ramatoa iray isan’ny voasoloky no tonga nametraka fitarainana teo anivon’ny polisy. “Nametraka ny velapandrika rehetra noho izany izy ireo, ka tratra teny Ankadindramamy ilay mpisandoka andraikitra. Tratra tao aminy ny dika mitovy amin’ireo fitomboka ampiasain’ny PAC miisa telo. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ity farany nanaovana fanadihadiana”, raha araka ny polisy hatrany. Mirongatra ankehitriny ity fisolokiana avy amin’ny filazàna fa mahafatantra olona ambony na koa fisandohana andraikitra ity. Ny matetika tratran’izany dia na ireo olona manana olana eny amin’ny fitsaràna na koa ireo mba maniry ny ho mpiasam-panjakana, indrindra ny te-ho mpitandro ny filaminana. Vao ny faran’ny herinandro teo koa no nisy sivily izay misandoka ho manamboninahitra eo anivon’ny tafika ka voasambotry ny zandary. Ankoatra ny fandrahonana olona mba hahazoana vola dia mbola fiadin’io olon-dratsy io koa ny fandaingàna fa mahatafiditra olona ho mpitandro ny filaminana. Ary dia saika manana karatra sy fanamiana mifandraika amin’ny asa fisolokiana ataony avokoa ireo olon-dratsy. Toa ilay iray farany tetsy 67ha, fitomboka samihafa izay miisa telo no sarona teny aminy.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici