- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha : Nanoratra ho an’ny reniny izy, talohan’ny namonoany tena

67ha : Nanoratra ho an’ny reniny izy, talohan’ny namonoany tena

Tovovavy manodidina ny 25 taona teo ho eo no hita, efa tsy nihetsika intsony, tetsy 67ha, ny andron’ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro tany ho any. Araka ny angom-baovao azo tamin’ireo nanatri-maso dia nitolefika tampoka teo ity tovovavy ity ary nivoaka zavatra maitsomaitso ny vavany. Nentina haingana namonjy hôpitaly moa saingy indrisy fa tsy tana intsony ainy.

Nisy poketra kely teny aminy, araka ny fitantaran’ireo nahita hatrany, ary tao anatin’izay no nahitàna « nuvan » sy fitaovana kely maro samihafa, saingy tsy nahitàna ny mombamomba azy anefa. Nisy taratasy voasoratra lavabe ihany koa tao aminy, izay mitantara ny alahelony sy ny hafany farany ho an’ny reniny, ny anarany ary ny laharan-tariby ahazoana izay mety ho havany. Raha ny tombatombana tamin’ireo teny an-toerana dia  namono tena ity tovovavy ity ary mety ho efa maromaro tamin’ireo tavoahangina « nuvan » no nateliny. Ireo nahita azy efa tsy nahatsiaro tena intsony teny an-toerana moa no nanao tsipaipaika nitondra azy tany amin’ny mpitsabo, izay tsy lavitra teo. Ity farany indray avy eo no naniraka  ireo mpitondra ho an’ny hôpitaly. « Tsy nisy nety nandray ireo fiara sy taxi izay nosakananay, hoy ity renim-pianakaviana nitsetra an’ilay tovovavy, hany ka sarety teo an-toerana teo nomena « frais » hitondra azy teny amin’ny hôpitaly Manarapenitra Andohatapenaka. Indrisy anefa moa, fa nony tonga tany izy, dia nolazain’ireo dokotera tao fa efa tsy nisy aina intsony … ». Taorian’io ihany moa dia naparitaka eran’ny tambajotra sosialy ny sariny, satria, tsy misy mahafantatra teny amin’iny faritra iny ilay tovovavy. Najanona tao amin’ny hôpitaly ny razana ary ny harivan’io ihany no tonga teny ny fianakaviany, araka ny angom-baovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici