Vehivavy lehibe iray tokony ho 80 taona any ho any no naratra mafy rehefa avy nodomin’ny fiara. Rehefa nentina tany amin’ny hôpitaly dia indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Nitsoaka avy hatrany moa ilay nandona raha vao hitany fa tsy avotra intsony ny ain’ilay ramatoa voadona. Teny amin’iny faritra 67ha iny no nisehoan’ity tranga ity, ny alahady lasa teo. Araka ny fantatra dia handeha hiampita ny arabe ilay ramatoa no nipoitra tampoka ilay fiara izay somary nandeha mafimafy ihany. Voafaoka ilay vehivavy ary niakarapoka tamin’ny tany. Nandriaka ny rà. Teo no ho eo ihany dia nitangorona ny olona rehetra. Noho ny tahotra ny mety ho hatezeram-bahoaka dia nanaiky nitondra ilay marary, izay mbola tsy nahatsiaro tena, tany amin’ny hôpitaly ilay mpamily. Niezaka nanao izay tratry ny heriny ireo mpitsabo vonjy taitra, saingy indrisy fa efa be loatra ny rà very tamin’ilay naratra ka tsy tana intsony ny ainy. Ny fahenoana an’izay vaovao ratsy izay angamba no ela dia iny ilay mpamily fa nitsoaka, raha mbola variana nisomebiseby teo ny olona. Tsy hita popoka ihany koa ilay fiara nahavanon-doza nony avy eo. Nampandrenesina haingana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Fa mbola resaka lozam-pifamoizana hatrany. Fiara tsy mataho-dalana iray no nivarina tany an-tanimbary teny Ankadindratombo, omaly vao maraim-be. Raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia nandeha mafy dia mafy izy ity, ary tsy fantatra na tratry ny torimaso fotsy na hoe nisy olana teo amin’ny lafiny teknika tamin’ilay fiara, fa dia nivoaka ny lalana, nivadibadika ary niafara tany anaty tatatra nony avy eo. Nahitàna fahasimbana ilay fiara, saingy araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana dia tsy naninona ilay mpamily tao anatiny.
m.L