- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-Divers67ha : Ramatoa mpivarotra rôrô voasambotra

67ha : Ramatoa mpivarotra rôrô voasambotra

Tsy ampoizina tokoa ny olona.

Ao anatin’ny hetsika famongorana ireo fanetriben’ny firenena amin’ity resaka fanaparitahana zava-mahadomelina mahery vaika ity dia nisy ny hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Nandritra izany no nahasamborana vehivavy iray teny amin’iny faritra 67ha IVO iny, teo am-pivarotana rôrô, na ireo karazana rongony mahery vaika, atsindrona, mihazo laka amin’izao eto amintsika. Ny alarobia teo no voasambotry ny pôlisy avy eo anivon’ny UIR ity vehivavy ity, rehefa nisy ny angom-baovao azon’ireto farany mahakasika azy teny an-toerana.  « Teo ampivarotana « Rôrô » izy ary mbola tratra tao aminy daholo ihany koa ny fitaovana rehetra fampiasan i’zy ireo rehefa mitsindrona io zava-mahadomelina io » hoy ny fampitam-baovao azo. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy tetsy Tsaralalàna moa izany mpivarotra rongony mahery vaika izany, ary natolotra ny polisin’ny SUT ho amin’ny tohin’ny fanadihadiana. Omaly kosa no fantatra fa nalefa teny anivon’ny Fampanoavana. « Ny hamongotra ireo olon-dratsy izay manakana ny tsy hisian’ny fandriampahalemana eto Antananarivo Renivohitra no tanjon’izany hetsika izany » hoy hatrany eo anivon’ny pôlisim-pirenena.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici